Letra Rava de Samoela

Letra de Rava

Samoela


Rava
Samoela
(0 votos)
Dia rava tanteraka tokoa moa 'zany
’Lay fitiavantsika roa
Mangina aloha fa mbola voa
Marary fo sy miasa loha
Ilay fitiavantsika ts'isy raha nanjary
Rava ity no niafarany
Samia mandini-tena aloha
Raha manina dia mba miantsoa

Toa latsalatsa sy vazavaza
Ianao no tena basy vava
'Reo fianakaviana koa mba niangaviana
Mainka koa nanisy sira
Mamoron-dainga sy mifosa lava ô
Ts’isy zavatra mazava
Mihatsaravelatsihy misaron-tava
Fita-bitro lalandava
'Lay tokantranontsika mila ho rava
Ts'isy mba nandanjalanja
Ketoketoka matetitetika
Maka lagy sy manjetoka
Manana ny adala ka manampim-bava
Aiza ihany ilay mazava
Rahovina re vao mba hisava
Angatahana amin'ny Avo lalandava mafy fa satria...
'Zaho mbola tia an-dry
Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
Mahita tsirony amin-dry

Dia rava tanteraka tokoa moa 'zany
’Lay fitiavantsika roa
Mangina aloha fa mbola voa
Marary fo sy miasa loha
Ilay fitiavantsika ts’isy raha nanjary
Rava ity no niafarany
Samia mandini-tena aloha
Raha manina dia mba miantsoa

'Lay mody ato an-trano ts’isy teny mamy
Fa laginina avy hatrany
Manangam-bovona tsy mety mirana
Mampandainga manahirana
Ny hasarotam-piaronao mameno trano
Iretsy koa milaza angano
Tsy maraina, tsy hariva, tsy atoandro
'Zany ny analanao andro
Ny ato an-trano lasa tsakin'ady
Atin-kena miampy lagy
Vao lalovan'ny mpanatsatso
D’efa mahonena sy mijaly
Isika roa angamba hitoka-monina
Any alavitra tsy koboko any
Any angamba mahafinaritra e
Angatahana amin'ny tena Andriamanitra satria...
'Zaho mbola tia an-dry
Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
Mahita tsirony amin-dry

'Lay mody ato an-trano...
...............
'Zaho mbola tia an-dry
Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
Mahita tsirony amin-dry
Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
Mahita fafiny amin-dry


Comparte Rava! con tus amigos.


Que tal te parece Rava de Samoela?
Pesima
Mala
Regular
Buena
Excelente